FITIA SAHALA: Ronono sy Tantely (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Safidy roa mazava no indro eto anilako
Dia ianao sy izy ilay raozy roa tsy foiko
Manao fitia sahala nefa samy silako
Tsy hitako ny ailika fa samy tsara loko

Izy dia tantely nafahana ny vavako
Ianao koa siramamy tsy nahitako ngidy
Raha malahelo aho, orohanao ny tavako
Izy mampifaly manampy ana tsy ho kivy

Ianao dia renirano madio mangalahala
Mampodimpody ny aiko rehefa valaka sy reraka
Izy koa ronono mamy sady tsara
Manala ireny sentoko rehefa izaho ilay ketraka

Ianao dia lisy fotsy, izy raozy mavokely
Tsisy foiko ariana fa tia ahy sady tiako
Tsisy foiko havela fa ronono sy tantely
Manao fitia sahala ka samy safidiako

(.......)
--------
Rohy:
702 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 12/07/2019 15:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102