HO ANAO RY FIRENEKO (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto anio no hikaloako
Sy hihirako anao ry taniko
Eto indray no hanambarako
Fa ianao no tena mamiko

Raha miasa aho tsy ho an'iza,
Fa hampandrosoana anao.
Raha miraraka ny dinitro,
Mbola hiraraka aminao.
Raha misy fifaliako,
Mibitaka aho eto aminao.
Raha mirotsaka ny setoko,
Tsy aiza aho fa eto anatinao.

Raha afaka aho ka mahaleo tena,
Midika ho fahafahanao.
Raha hiraiko izany fiainako,
Mbola teny avy aminao.
Raha baliaka ilay masoandroko,
Avy amin'ny habakabakao.
Raha maizina eny koa ny androko,
Miara-maizina aminao.

Raha ho avy andro enjehina aho,
Aminao no mbola hiereko.
Raha misy fahafahako,
Ho anao ry fireneko
(...)

Vonjisoa Andjanirina
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
186 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Nampiditra : Lasyiray
Daty : 26/06/2024 18:16
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155