ma meilleur prière (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Jehovah ô:
1.
Ny finoana Anao no mamelona ahy
Ny fahatokiana Anao no iainako isan'andro
Ny fitantananao no tsy hananako ahiahy
Iainako isan'andro raha mbola eto an-tany

2.
Raha ny fihevitrao tsy takatry ny saiko
Fa lavitry ny lanitra ny tany izay onenako
Re hampitomboy ny fahalalana ananako
Hanompoko anao tsy misy hanenenako

3.
TOMPO Ô

4.
Tsy mendrika ahy anefa ny hiantso Anao
Tsy mendrika aho satria mpanota hatr'izay
Tsy lavinao anefa izay manaiky Anao
Fa toloranao ny fiainantsoa mandrakizay

5.
Mifona re ry Ray, mivalo mitalaho
Diovy fa tsy mendrika ity fo adala
Aza akory lavina fa ekeo ho zanakao
Inty aho raiso, MISAOTRA RAY MALALA.
--------
Rohy:
Sokajy : ahy - Vavaka
505 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146