Mahereza (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zandry aMisy teny ity
Kelikely monja
Tsy hahafa-po anao
Nefa mety hitondra
Hery vaovao
Iatrehanao ny fiainana.
Mety tsy mafonja
Fa holazaiko ihany
Satria hanampy anao
Hamafa ireo tomany,
Sy iatrika ny eto,
Ny fiainana eto an-tany
Izay feno sentosento.
Eny,
Tomany ianao satria
Mahery vaika loatra
Ny sedra iananao,
Toa kivy mitia
Fa mideza loatra
Ny lala-diavinao.
Zandry a, mahereza!
Na inona orakorak’
Ireo tafiotra maro.
Na inona hangezan’
Ny vongam-bato atoraky
Ny vintana tsy fantatra.
Dia mitrakà ry zandry a.
Etsy mitsikia
Dia manàna toky
Tsy mbola resy ianao
Herezo zany dia,
Fa mbola eto zoky
Tsy mandao anao.
…
Ny tena fandresena
Anie ry zandry tiako
Tsy ny anjara tsara
Atolotry ny anjara
Fa ny fonao manantena
Mahasahy mitsiky,
Mahasahy mitraka,
Anaty ny ady mafy.
Tsy ny hakiviana akory
Na ranomaso latsaka
No ahafahanao mandresy,
Fa ny fonao zatra ady
Ny sainao sahy mijoro
No sady tsara tefy.
Koa raha zay masoandro
Tsy mbola tazanao
Fa nosalovanan-drahona
Ka takona androany
Ampitso io mbola hisava
Hiverina hibaliaka
Hanatitra marainaa
Feno nofy mamy
Eo amin’ny fiainanao
Ka n’inona fikitroky
Ny alin’ny ririnina
Fafazan’ny erikerika
Ka mamirifiry.
Tafio ny herintsaina,
Ny tanjonao banjinina
Sy aza miherikerika.
Ka n’inona hadirin’
Ny sedra sy ny ady
Ka mila hampikoy
Ny herim-po mafana.
D’izao no fanafody:
Raiso ampifalina
Ny hery ho fivoy
Ny lakana hitàna
Fa tsy ho ela ianao dia tody
…
An-tanjona tratrarina
Vonjisoa ANDJANIRINA.
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 17/08/2026 17:38
