TONTOLON'NY POETA (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mbola niova akory ny teny ho lasa soratraTsy mbola nisy mantsy ny antsoina hoe mpanoratra
Tsy akory mbola teraka ny gazety sy ny boky
Dia iny ianao no resy tamanan-drotsirotsy
Tanaty nofy lalina tao anaty tory
Rendrika tanteraka, tsy mahalala akory
Fa efa niandry anao ny tontolo tsara voatra
Tontolo hafa iray mahatonga anao hitroatra
Tsy hipetrapetraka sy tsy hitony mihitsy
Dia io ilay tontolo any ambadiky ny misy
Any lavitra any nefa tonganao matetika
Tontolon-javakanto, ilay TONTOLON'NY POETA
--------
Rohy:
Sokajy :
Eritreritra mandalo - Aingam-panahy
Mpakafy:
Vonjisoa-Andjanirina
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 05/10/2019 03:44