ZOTRAN'NY FANAHY (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahafinaritra ahy ny mankeny an'habakabaka
Rehefa alina mangina diavolana ohatr'zao
Mahafinaritra ahy satria tontolo miavaka
Rehefa tapitra mangina izao tontolo izao

Rehefa injay miainga ny fanahiko mankeny
Dia mba mitondra penina sy pejy fanoratana
Tsy hoe izy diso lalana na koa hirenireny
Fa hikaro-java-tsoa ka nandao ny vatana

Dia nijoro ka namindra dia nikopa-kelatra
Nilofo koa sy niezaka nitady fisandratana
Dia navela irery lay ory sady reraka
Tsy tao an-tsaina akory adino kay ny vatana.
--------
Rohy:
Sokajy : fanahy - alina - Aingam-panahy
598 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0301