IZAHO SY IANAO (yarnjat)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny izaho?
Ny izaho fantatro?
Dia tsy ilay izaho fantatrao
Fa izaho mbola tia anao
Izaho tsy nampirafy anao
Izaho ilay nanaja anao
Izaho ilay nadefitra taminao
Izaho miandry anao foana
Izaho ilay mbola saro-piaro aminao
Eny na dia efa hadisoako aza izany
Izaho mbola vonona hitia anao
Eny hatramin'ny farany
Ary izaho ilay tsy mahay manadino anao


Saingy indrisy !
Ny izaho ilay fantatrao ?
Dia izaho tsy tia anao itsony
Izaho 'lay mankahala anao
Izaho 'lai efa nanadino anao
Izaho efa nahita olom-baovao
Izaho tsy mahatsiaro irony lasa
Nefa raha sanatria izany moa
No izaho ilay fantatrao
Dia diso ianao


Ary ianao kosa?
Ny fantatro ankehitriny?
Dia ianao 'lay mbola tia
Saingy tia tsy tena tia
Satria efa nitia olon-kafa
Nefa ianao 'lay efa nanadino
Angamba mety mankahala ahy
Nefa indraindray
Izaho mahatsapa
Fa ianao koa mbola miandry ahy
Fa ianao tsy sahy milaza izany
Dia izay ilay ianao fantatro
Asa angamba mety ho diso ve aho


yarnjat
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1643 0
Hevitra mandeha
yarnjat ( 25/06/2014 18:57)
Indraindray na dia efa misaraka aza dia mbola misy foana ny fitiavana ary toa vao maika miha-mivaivay izany indrindra rehefa eny antanan'olon-kafa ilay tianao taloha, dia samy miahiahy eo nefa tsy afaka manoatra intsony,efa samy voafatotra fa mifandainga rehefa mihaona hoe mbola tsisy solony e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : yarnjat
Nampiditra : yarnjat
Daty : 25/06/2014 18:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132