Tomany (Zaka Berthot RANDRIANASOLO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tomany aho ka tomany

Tomany ny fo, tsy andro tsy aliny
marary ny loha no sady fanina
Very fanahy, malahelo sy manina
F’ilay fanantenana tsy hita, nanjavona

Lasa saina aho, mandinika hoe..
tena izao mihitsy ve ny lahatra ?
tsy hita izay holazaina, mandositra ny feo,
Ka ny tomany sisa nivahatra

Asa ve mbola ho isy ny mangirana
Maraina vaovao hitondra azavana
anjara masoandro feno hafanana
Fa ity foko kely mijaly, sahirana

Ka ity no farany azo atao
soratsoratra maneho talaho
Mampatsiahy fa izaho tena mbola tia
Na de tsy afaka iaraka aminao
Tomany aho ka tomany
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
386 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zaka Berthot RANDRIANASOLO
Nampiditra : zakaberthot
Daty : 28/08/2023 19:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139