Lolom-paty (Zavona Rakoto)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LOLOM-PATYNamangy teto indray ilay lolo mainty be,
Hoy ny zandry vaviko! Taitra aho raha nandre.
“lolom-patin’iza no tonga teto indray!
Lolon’anga-badiko sa an’ny mamanay?
hoy aho nieritreritra.
Nivezivezy teo io,hoy ilay mpitantara,
Avy any an-dakozia dia tamin’ny farafara.
Ny sary tamin’ny rindrina voatetiny daholo,
Fanahin-javatra io f’angamba tsy mba lolo,
Hoy ilay zandrikeliko natahotra fijery.
Hafahafa marina fa lolo misy tery,
Tandindon’aina angamba ka miady indray ho velona.
teo aho vao domelona! lasana ambiroa.
fa hay tsy iray no tao fa lolom-paty roa!
nahinjitro ny tanako,niraisiko ny angiba
mihitsy ireo tsy avelako,na fotsiny aza hiliba.
nandoroako fingotra ny hefitra tontolo,
sady odi-moka no fandroahan-dolo.
tampoka avy teo,nihoraka ny zanako,
votsotra avy hatrany koa 'lay hazo teto an-tanako.
nangovitra aho avy eo,zary toa farofy.
nahiratro ny masoko,hay 'lay teo ka nofy
Zavona Rakoto 02:07 20220129
--------
Rohy:
Mpakafy:
ZavonaRakoto