Nampiditra : ARIMBOLA FENOTSIKY
Daty : 29/06/2022 12:30
Nijery : 1466
Tononkalo: 14 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

ARIMBOLA FENOTSIKY

ARIMBOLA Fenotsiky dia mpanoratra am-perim-panoratana. RANDRATOTIANA Harisoa Fenotahina io no anarany ao amin'ny soram-piankohonany.
Monina eto Antananarivo izy. Nanaraka ny sampam-pianarana lalàna. Ary efa eo amin'ny sehatry ny asa ankehitriny.
Nanomboka nanoratra tamin'ny taona 2009, 15 taona izy tamin'izany. Niditra ho mpikambana tao amin'ny Fikambanana Mpanoratra Malagasy iray ny taona 2019. Efa namoaka tononkalo maro tamin'ny tambazotra Facebook izy izay voasoratra amin'ny teny malagasy, teny frantsay, teny anglisy. Ary efa narakitra tanaty bokikelin'ny fikambanana misy azy ihany koa ny ampahany amin'ny tonokalony. Nanoratra sombin-tantara ihany koa izay mbola tsy naparitaka izany hatreto.
Ny solon'anarana entiny dia manambara avy hatrany fa manana ny firehan-kevitra sy tara-kevitra tiany hovoizina ao anaty ny asa soratra izy. Amin'ny maha mpanoratra am-perim-panoratana dia mbola eo am-pitrandrahana tanteraka izany atao hoe literatiora izany ny tenany, indrindra fa ny literatiora malagasy.
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/arimbola-fenotsiky
Hevitra farany
ARIMBOLA FENOTSIKY ( 17/09/2026 11:16)
Mankasitraka indrindra izay feo kanto niantsa ireto tononkalo ireto izay. Mandrosoa hasina tompoko !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3784