ANATY AFO (ARIMBOLA FENOTSIKY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rotidrotiky ny bala 'lay jiolahy tsy mataho-tody ka rovidrovitra ny vatany.
Potipotika ny nofony, ny rà miraradraraka, tsy misy halevina intsony ho any am-pasandrazany.
"Iny re olona no tratra am-body omby nanimbazimba ny dinam-piarahamonina a!"
"Iny re ny olona nisotro ny aleoko maty tamin'ny fitiavam-bola fa tsy nahay nionona a!"
Hoy ny rabirabin'ny milaza azy ho olo-marina,tsy honena intsony zay atin'ny fanahiny any.
"Fa olon-dratsy iny e! Nahavita abibiana ka tsy mendri-pamelana izany!"
Njay midridridridry mahatsiravina ny fialan'ny ainy!
Mampahatsiahy reo tsy manan-tsiny efa novirainy.
"Anao ny sivy ambin'ny sivy folo fa inty ny andro iray tsy ho afakao!
Mahatantesa leroa fa vokatry ny ratsy vita zao a!"
Hoy ny tora-batovava natao manakoako farany any am-parahatony.
"Sazy mihatra izao fa tsy hoe mbola sazy mihantona!"
...Nivadibadika izy ary nanao ny hika farany.
Tsy nahavavaka intsony hanipy ny fanahiny.
"Ary na dia hivavaka aza moa handalo afo fandiovana?
Hamantana farihy mirehitr'afo 'lay tsy mifaditrovana!"
Hoy ny filôzôfian-kristiana momba ny fanahy.
Vita ny momba azy! Vita ny amin'ilay jiolahy!
"Afa-draorao toy ny tany dilatra nahafaham-bato!"
Nivoaka an-gazety fa hiakatra galona ilay nahatraha-tehaka azy ato ho ato.
"Koa hisy fanasam-be eto anivon'ny ankohonako": hoy ny kabariny tsy miambatrambatra.
"Efa mandry ny raharaha! Torohy zay mahasaky dahalo an-databatra e!
Zay tsy hisaingy ahy aleo hanenjik'aloka eo!
Tsy mataho-dalana iray rahampitso ataoko ho hitandreo!"
Hoy ny eboebo kasikasy mamakivaky ny atidohany...
Kanefa ny tantara mbola hitsara...Ho hita eo ny tohiny!...
ARIMBOLA FENOTSIKY
--------
Rohy:
367 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144