MISY (ARIMBOLA FENOTSIKY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy taon-dasa tsy tsaroana;
Mavana ihany ka mora nolokoina.
Nisy ireny lasa tsy niverina;
Nitampodifohy fa tsy nampanenina.
Nisy toy ny aloka niserana;
Tiana nosamborina fa tsy hay noferana.
Nisy honohono ny nandrenesana azy;
Tsy nahoana akory na dia tsy vazivazy.
Misy am-pelantanana, tiana sy lalaina.
Mahasambatra rehefa tena hajaina.
Hisy hafa indray ankoatry ny misy;
Hanantena ny tsy misy, indrisy!
ARIMBOLA FENOTSIKY
--------
Rohy:
296 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139