Izay vehivavy izay ilay n (ARIMBOLA FENOTSIKY)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izay vehivavy izay ilay niangaliako tononkalo tanaty diavolana.
Izay vehivavy izay ilay nitondra ahy tan-kibo sivy volana.
Izay vehivavy izay ilay manan-trosa tsy ho voahefako.
Izay vehivavy izay ilay niaritra mba hamelona ny tenako.
Izay vehivavy izay ilay ananako aingam-panahy androany.
Izay vehivavy izay ilay iriko ho ela velona eto an-tany.
Izay vehivavy izay ilay rarivato sy tohatra niakarako.
Izay vehivavy izay ilay nikely aina mba ho vita ny fianarako.
Izay vehivavy izay ilay maniry ahy ho tsara fiafarana.
Izay vehivavy izay ilay mamefy ahy tsy ho amin'ny adalana.
Izay vehivavy izay ilay tahafiko amin'ny fitondrantena.
Izay vehivavy izay ilay tia vavaka, tia havana, tia firenena.
Izay vehivavy izay ilay marary aina noho ny amiko.
Izay vehivavy izay ilay antsoiko foana hoe "Reniko".
Izay vehivavy izay ilay tiako hanadratana vavaka manokana.
Izay vehivavy izay ilay tsy manam-paharoa, tokana dia tokana.
Izay vehivavy izay ilay anton'ny misiko rehetra.
Izay vehivavy izay ilay fitia tsy manam-petra!
Eny, i Neny manko, izay vehivavy izay!
ARIMBOLA FENOTSIKY
--------
Rohy:
574 0
Hevitra mandeha
ARIMBOLA FENOTSIKY ( 26/08/2022 08:34)
Misaotra sady mankasitraka an'ny namana ikalamako niantsa azy ity! Kanto!
ikalamako ( 26/08/2022 20:54)
Mahafinaritra koa ange mamaky ny aingam-panahinareo ato e. Tsy misy isaorana fa isika samy isika io. Mandrosoa hasina, Arimbola !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ARIMBOLA FENOTSIKY
Nampiditra : ARIMBOLA FENOTSIKY
Daty : 19/08/2022 07:14
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168