NY FIAINANAY MADINIKA (ARIMBOLA FENOTSIKY)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fiainanay madinika:
Nanjary rotoroto lava;
Tsy fantatra mazava.
Fa mitolona isan'andro,
Miketrika nahandro.

Karama varimasaka,
Tsy mahampy sasaka
amin'ny volana iray
Dia mandry fotsy zahay.

Kikisan'adin-tsaina,
Tsy mahalala maka aina
Fa ny hitady vola ihany
No an-dohanay any.

Tsisy mahare ny antso avo.
Ka hany hery, mivarilavo.
Rehefa samy tsy henoina
Dia aleonay toaka no sotroina!
ARIMBOLA FENOTSIKY.
--------
Rohy:
355 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ARIMBOLA FENOTSIKY
Nampiditra : ARIMBOLA FENOTSIKY
Daty : 29/08/2022 13:15
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151