DIA... (ARIMBOLA FENOTSIKY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha fantatrao ny misitery
Nokobonin'iny fijery
Nitopy taminao voalohany,
Dia izay no tao an-dohany.

Tia izy fa nihaotra.
Tia izy fa natahotra
Ho banjininao maharitra
Dia nody koa tsy nahatsikaritra.

Raha toa tsy takatrao
Dia lazaiko eto izao:
Fa tamin'iny ora iny indrindra
Ny fitiavany no nifindra.

Dia lasa tena tia,
Dia lasa mpifankatia.
Ary hatramin'izao...
Dia tsy mahafoy anao!
ARIMBOLA FENOTSIKY
--------
Rohy:
342 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0528