Hampiditra sary Nampiditra : fetra.emo
Daty : 21/04/2017 20:06
Nijery : 1570
Tononkalo: 15 Jereo eto
Mankafy : 2 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Fetra Rafitsahàrana

Ny hoe Fetra Rafitsahàrana dia anarana isalorana anaty literatiora fotsiny, fa ny tena anarako dia Rajaofetra Freddy: tovolahy be fitiavana sy be fandeferana loatra, tsy dia hoe inona moa izahay fa olon tsotra ihany, ary tsy hoe dia havanana be anaty fanoratana koa fa mba olona manoratsoratra fotsiny,,, zandry olona vao tinaiza omaly raha anaty asa soratra no anopazam-pijery, ,,, teraka ny 20 janoary taona 1996 tao morarano gare(Moramanga), nanomboka nanoratra ny taona 2010 ..(Tantarako fohifohy)...: fony kely aho dia efa notezain i Dada tanaty asa soratra sy ny aigam panahy, namporisihina mihitsy tamin izany mba hihaino sy hianatra ankafy ireny ventson ny poeta ireny ,toy ny: tononkalo,sari teny sy sombintanatara sns.. I Dada rahateo koa moa efa mpankafy sy mpanoratra hatrizay ka nanomboka liana teo raha namaky irony rangotry ny peniny sy ny zava nosoratany...nanampy trotraka izany koa ny nanaovany anarana mpanora ny anaranay zanany toa an dry:jj Rabearivelo, Ranarivony jean, Rajaofera Freddy(nangala ny anarako)..amin izay hono mitoetra anatinay ny fanahin ireo poeta ireo ka raha toa hisy fahalasany indray andro .. dia mba ho isan ny solofo handimby sy hanome voninahitra ny asa sorany izahay...noho ireo tantara ireny ary dia nirehitra nitsilopy tato amiko ny fitiavana literatiora ka niha nireda niandalana teny izany , ary mandrak' ankehitriny toa zary lasa rivotra iainako sy fiainako andavanandro ny mametsovetso anaty taratasy sy miangola amin ny penina......eny ary!, tantara fohifohy ihany iny , .. tsy ho lava resaka aho fa.. manasa anao sahady ary mba hianoka sy anopy maso ireto asa soratro vitsivitsy ireto...
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/fetra-rafitsahrana
Hevitra farany

Mbola tsy misy hevitra

Hampiditra hevitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105