FAMBARA (Fetra Rafitsahàrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
-Tongotra namindra, tsy nanampo akory ny fingan'ny ankaso
Nandaka irony vovoka andalana efa mandry
Nanditsoka ny maso
,Lavenona am-patana nasidina fikopaka, nahakofona ny feo
Fijery niha nanjavona, natamboliky ny setrok'ilay Afo Maty teo..
Saina tsy mitony, mangady eritreritra hikaro-java marina
Toa mahita Dindona sy tarehin'Aloka mifandimby miarina!
,,Bitsi tosik'hery, manisaka famindra hivoaka ny tokonana
Mikapoka tsy mandry manalokalok' Haza toa salobok'homana
, injao tsamboatra teo...tafatsangana fanahy hanenjika vinany
Zovy? Ary inona no mitranga afenin'ny any ho any??...
Ndrao misy marary ny Fianakaviana??
Na koa misy Namana mila fanampiana??
Sa ve malahelo ilay Olon-tiana??
Iandraso!..Ho avy aho fa iandraso
Hamangy anareo any..

,,Fetra Rafitsahàrana
10-12-2016
--------
Rohy:
747 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fetra Rafitsahàrana
Nampiditra : fetra.emo
Daty : 28/11/2017 17:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138