Zotram-betso (Fetra Rafitsahàrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ranomaity ritra
Penina efa moana
rombo taratasy , somary rovidrovitra, efa tolatola
No teo nanoloana poeta mistery
Sisa tinazan`ny maso rendrik`afony
Mamaly izato tsanta mibosesika ao an`efiny, misosoka tsy lefiny
Angamba tsy safidy f`izay no zava misy
Nadoboky ny Ora ho sedrainy anaty Fo
..namangy teo ny sentony
Nankimpiny ny masony
Nisaina teo ny sainy
Nihaino siditsidin`ny feo niserantserana, nanako tany ho any
...dia kelikely teo, tanaty ginam peo
Nisokatra toa mora ilay molony nangina
Navitram binavina
Hoe.."tsy ho lefy anio
Tsy ho fafa anaty lio
Ny vaikan`asa soratra, na dia iala sasatra aza ny angady fiasany
Fa ny androany izany!
Ndeha ho ekeko fotsiny
Himaona ianao ry penina!
Nefa iandraso kely...
Hoy izy nanohy teny
Mbola misy molotra hanonon`onjan kalo
Sy sarisary teny hamentso mpankafy
Ary tombambolana anaty mamololona"
..Uhm!! dia nitsiky indray ny molony
Nahirany ny masony..

Fetra Rafitsahàrana
02 -07-2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fisainana
851 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fetra Rafitsahàrana
Nampiditra : fetra.emo
Daty : 12/07/2017 18:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101