KITAY LAVITR'AFO (Fetra Rafitsahàrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...eee , tsy anjarako ianao iny!

Lay masoko nangano
madisa toa londrano
Mba nantopiko anao, rehefa isika mifanena
Nefa indrisy nahonena
Tsy mba nirianao ny ho jerena!
,,Fa nasisikao famaliny
Fijery toa nangarika
Niodi nanamarika
Nandatsa ity fitiavako efa lalim- paka
*ny antorak'antsoantsoko
Tsy tianao Re akory
Fa hoe manorisory
Singaninao ho isan'ny feon'olom-poana
Tampenanao tsy hihaona
Tsy handalo antsofinao
...eee tsy anjarako ianao iny!

Nihatahanao alavitra
Ity Nofo vasobasoka
Mantsy sao mikasoka
Amin'ny tafinao mangirana
Mihaja fihodirana
Ity akanjo Rovidrovitro!

Izaho mba nandadilady
Niangavy ho raisinao
Na aza haka sisiny anjoron'ny Fo ao
...Kinanjo tsy nampoiziko, indrindra tamin'izay!
Teny toa tsy mora
Sy fihetsika nandrora
Mba nasetrinao izany
...eee satria mantsy aho mahantra?
Aleo ary aho hangina e


"Fetra Rafitsahàrana"
22 janoary 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
889 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fetra Rafitsahàrana
Nampiditra : fetra.emo
Daty : 27/11/2017 18:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157