VALIN'NY DITRA (Fetra Rafitsahàrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zandry a!
Mahaiza ialahy mamindra
Mahaiza koa mionona
Ny toetra indrindra indrindra
Kajio hatrany ho vonona
Iaina izay hananana

Fadio ny be am-bava
Mitsiriritra anaty ny haren'olon-kafa
Tsy mitondra soa fa mamotika mandrava
Sy mampijafajafa

Zandry a!
Meteza ialahy ihaino, ny hafatra hapetrako
F'izaho aty lesy
Lavo tsy tafarina
Fongana tanteraka, tsy misy azo Havotana
Potika fiaina toy ny hazo izay nongotana
Fa ho sakaizam-ponja

Mifato-drojo vy, ny tongotra aman tanana
Vokatry ny halatra tsy hisasatra te hanana
Nanitanita-tsaina, tsy nahay mba niafy
Kinanjo nefa inona??.. Nijinja izay nafafy

..Ka manomboka eto lesy dia ny fonja no fonenako
Mba ho solom poizina handrotik'ity tenako
hanena ireto sandriko Bokonana mahery
Izay tsy mba nahay nisasatra toy ireo niharim-pery!

Namongotra harena tanaty setrasetra
Hay ilay izy zandry mbola nisy FETRA
Ka hifarana eto ny ratsy izay fanaoko
Hibaby valin-ditra aho nohon'ny zavatra nataoko

Resy aho lesy zandry a!!..
Ilay Rojo vy mamatotra, no solon tanam-bady
Sisa mba mamihina, mivona isan'andro
Mangeja ireo tanako izay ela niparady
Niasa tao andratsy na alina na atoandro

Ireo bara-vy matevina, fefim pigadrana
No solom-baravarana, fitazako indraindray
Fa ny fihiboana tsy misy fiafarana
Na andro mangatsiaka na andro mahamay
...
Zandry a!
Mananatra aho fa lavo
Ahitsiho ny dia
Farano ho vita hatreo
Ireo tetika Maloto
Sy izay mety ho Fanoto
Manorotoro Marina
, fa tsy mitondra soa
Manimba ny aty fiaina
Mamotika ny ivoho
Mahafoy ny andro iainana

Zandry a!!
Mahaiza ialahy Mamindra!

Fetra Rafitsahàrana
18 Nov 2016 ,21h
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1414 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fetra Rafitsahàrana
Nampiditra : fetra.emo
Daty : 25/05/2017 17:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143