RAHA HO FATY (Fetra Rafitsahàrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ny tomaninao
Na ny alahelonao
No hanafana indray ity Nofo mangatsiakako
Na hampijoro indray,ity vatako sy bikako

Tsy ny tomaninao
Na ny alahelonao
No hampitempo indray, ity foko efa nitsahatra
Na hiantso ny fanahiko, hiverina ampahatra
..F'izaho raha ho lasa dia dify tsy handre

Ka raha ho avy
Tsy hiangavy
Ahy tokoa ary,izay andro izay
Dia..
Aza hisahiranana, na handaniana harena
Aza ataonao lafatra toy ilay saha EDENA
Fa izay tsotsotra ihany,atolotra omena

Aza ampiakanjoana loatra.. Amin'ny lamba tsara didy
Na handaniana vola amin'ny kiraro lafo vidy
Fa tsy ho Reko intsony hoe misalotra amin'ny vatako

...raha mba natao ihany,
Ny hanefana izany
Dia ihany aho mbola velona!

Aza itotoana, na hamoronana ny tsy eo
Fa Nofo ho simba ihany,rehefa lasa avy eo
...raha misy vola ihany
Dia anasoavy velona sy ireo mahantra Ory
Fa raha ho efainao amiko,dia tsy ho reko intsony akory..
Satria aho efa hatory
Handry ampiadanana

Dia tsarovy fa...
Tsy ny tambintambinao
Na safosafonao
no hampifaly nofoko efa avadin-drangolahy
Fa ny soa levenana izay nataonao ahy
Ihany aho mbola velona!

Tsy ny sahirananao
Na totototonao
Manitsy manoloana ity vatako tsy miaina
No Ako lehibe sy zavatra ilaina
Fa ny fanohanana
Sy fanampiana an-tanana
Ihany aho mbola velona!

Ireo fotsiny ihany dia ampy hifaliako
Nantefanao tamiko,ry sakaiza tiako

Ho faly koa ny fanahiko
Raha mba iarahanareo miory
Sy hiaretanareo tory
Mba ho veloman'aina hiaona-tsika farany

Dia raha ho iandrasanao
Mba kalohy hiram-bavaka
Ho solon'ny firavaka
Fa hanatrika eo
Sy hiara- hikalo aminareo
Ity fanahiko tsy maty
Aty ampiainan-tsihita.

Fetra Rafitsahàrana 22/11/16

hoy...i ... Ra Fetra raha ho lasa i lery indray andro any :-)
--------
Rohy:
1498 1
Mpakafy: fetra.emo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fetra Rafitsahàrana
Nampiditra : fetra.emo
Daty : 06/05/2017 19:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136