Nampiditra : mikanto01
Daty : 26/06/2014 08:10
Nijery : 1577
Tononkalo: 13 Jereo eto
Mankafy : 0 Ankafizo
Hampiditra tononkalo

Mikanto

Mpanoratra malagasy avy ao Miarinarivo izy;efa elaela ihany no nanoratra fa tsy mbola mpikambana ao amin'ny fikambanan'ny poeta malagasy.Mbola kely taona nefa kosa efa mikirakira ny zava-kanto malagasy.

NY TANTARANY;
Vao kely monja izy dia efa niarahana fitsapana nahamay satria vao 8 taona monja izy dia maty ny dadany.Ary vao 16 taona monja izy izao manoratra izao ho fatsiavorana io dadany tsy foiny io.

NY ASA SORANY;
Efa nahavoaka tononkalo maromaro ihany izy, izay ny ankamaroany dia mihira betsaka ny ALAHELO .Manana tantara ihany koa izy na dia mbola vitsivitsy aza. Ary mbola misaka ny hanandratra avo ny zava-kanto malagasy izay toa lasa RAA mikoriana ao anatiny/ireo rehetra ireo dia efa nivoaka tamin'ny tambajotran-tserasera, radio,antsa,... SNS

NY FIAINANY;
Ny tena anarany dia RAMANAMANONTRONA Fidinirina Hasintsoa izay mitondra ny solona anarana hoe"MIKANTO MPANAO TONONKALO"na "MIKANTO"
Teraka tamin'ny 29 janoary 1999 tao Miarinarivo izy izay tanana nahabe aza ary mbola ao izy hatramin'izao.Mianatra ao amin'ny Lycee FJKM ANTANISOA
NY RENINY : RAZAFINDRAMANANA Elise P.
NY RAINY : ANDRIANTIANA Alain M.
Rohy: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/mikanto
Hevitra farany
mikanto01 ( 26/06/2014 08:12)
Maorata ka tiavo ny teny malagasy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148