Eny sa tsia ? (Mikanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teny tokana mafonja,
Mahery nony onja,
No nambarany tamiko...
Toa mangidy sady mamiko
Hoy izy "tiako ianao"...
Taitra aho, nitsamboatra
ka tsy tsaroako loatra...
Ireny teny hotenenina
Izay ambara sy afenina
Nanetram-panontanina,
Fahorina sa fifalina...
Sao ny ao ambadiky ny toky,
Jiolahy ,mpisoloky...
Fanontanina tany an-tsaiko,
Nampanahy sy tsy haiko
Hoe: hanaiky ilay fitia...
Dia ho eny sa ho tsia?...
Misaina aho,ny hoaviko
Ho ekeko sa ho laviko?
Miady saina aho,sahirana
Fa tsy nahita nangirana...
Nibahan-tsaina,nankahia...
Hoe: "ENY sa TSIA''

MIKANTO
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1201 1
Mpakafy: mikanto01
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138