TAMIN'NY IRENY PROPAGANDY (Mikanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAMIN'NY IRENY PROPANGANDY

tamin'ireny propagandy hoe hatao ivany volana nolazaina ihany koa fa ho taperina ny olana ambetin-dresaka isan'andro faho afaka krizy
ventesin-dava izao, fa hianatra ny ankizy

tamin'ireny propagandy,dia nolazaina fahiova,
noresaahana betsaka,fa ny gasy no handova,
ny harenaao an-taniny,ireo vakok-tsarobidy
izay tsy misy ambony tany,na kosa ho voavidy

dia nambara tamin'ny ireny,fa hatao hankalalahana,
izay zavatra atao,indrindra moa fa fivavahana,
dia natao ho re tsara, malagasy handry fahalemana
dia hoe"n'iza n'iza hiteny ,hambarao fa tsy tapenana

nefa,rehafa tonga teo,nodiana fanina tsy hita,
asa ngah na manam-pahefana sa josa efa tafita
nefa anie ny malagasy ,no mba nametram-pitokisana,
indro tonga teo izy; dia ny kibo no vokisana

o!ry malagasy !o! mihetseha ka mivonoana;
ka ny ratsy no hofongorana,alana sy vonoana,
aoka ianao tena malagasy,no hiaro ny taninao,
ny fanararaotana tsy ekena,sahia...!!! ka hitsao,

MIKANTO
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
856 1
Mpakafy: mikanto01
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145