You are here: home > Vetso

TOHIZO IZATO LALANAO - Mikanto

Azo vakiana?

              TOHIZO IZATO LALANAO
Tohizo izato lalanao
Nany mpanenjika toy ny inona
Ny tsara  hatrany no hajao
Ka ny lalanao banjinona

Tohizo izato dianao
Fa mbola lavitra ny dingana
Aza tofoka sy lao
Na dia maro ireo mpamingana

Aza adino ny tarigetra  
Izay efa nilofosanao hatrany
Fa maro ny mpisetrasetra
Izay tsy ho foana tsy ho lany

Aza kivy lalandava
Hatramin'ny tanjona hirina
Fa mbila ho avy ny mazava
Dia ho tojo fifaliana

Sokajy : Fampaherezana

Hametraka hevitra

Midira aloha