ANOKA FITIA - Aina Nirina
Azo vakiana?
ANOKA FITIA
Efa avy aho akia, maika ery hahita anao,
Mba hikolo ilay fitia izay mamony anatiko ao,
Sy hampangotraka indray ilay fitia am-ponao any :
Hiara-hiaina hafanana sy hiara-hianoka ny mamy.
Hampianoka anao anaty rotsy sy angola,
Ka ny hanitra fitia no hipololotra mora,
Mba hanenika anao hitsentsafanao ny tsirony,
Ka hitantana anao ilay rehitry ny jirony.
Hitia ianao, hanonofy, sady tena hankafy
Ny fitia izay atosako amin’ny anoka fitia :
Ny FO TIA sy ny FY TIA dia fitia ranofotsiny
No hanolotra ho anao ny oroka sy rotsirotsiny.
Ka ny korisam-penina sy ny korisan-tanana :
Samy hanafosafo anao ao anty fampiarahana…
Hangorintsina ianao ho seranin’ny herin’arany,
Ka hanenika anao ilay tolotr’(h)asambarany…
Fa ny tanjoko hatrany dia ny hahatonga anao hioty
Voninkazon’ny fitia feno tsiky sy angoty,
Eny an-tsaha-nofinofy hiarahantsika roa :
Hiara-hianoka fitia ho samy sambatra tokoa !
AINA NIRINA
(6 marsa 2015 tamin’ny 22 :51)
Mombamomba
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 17/03/2015
Mpamangy : 1522
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VAVAK'ILAY TIANISY
ANTSOIKO
DISO FANANTENA
RAVA TRANO
OROKA
TSY TIANY HONO AHO
DISO VE?
FENO ANAO NY NOFIKO
ILAY ANJELIKELIKO