AVELAO (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AVELAO

Avelao izy ho any : efa lafatra ny fiainany
Efa habaka hafa indray no mameno ny fisainany…
Ny tontolonao tazano f’eny am-paravodilanitra :
Misy taratra hazavana manjopiaka mahafinaritra…

Mety hisy ihany angamba ny tamberimberin’onja
Sy tambolombolon-tsento, mety ho vetivety monja…
Odio tsy hita ny fihalony, ny ho avy no banjino :
Fa ny tanjona tratrarina : ny tsy maintsy hanadino…

AINA NIRINA (03 Jolay 2014)
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1070 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 02/11/2014 04:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162