ENGA ANIE (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENGA ANIE…

Raha toa sitrakao ny miara-dia aminy,
Ary tena ianao no tiany sady maminy…
Enga anie ianao hiaina am-pahasambarana,
Fa ny tantarantsika eto no mifarana.

Raha tianao hotapahina ny fifamatorana,
Ka sampanan-dalana ny lalana izorana…
Enga anie ho anao hisosa izany dia,
Ho lavitry ny olana ny zotran’ny fitia…

Raha toa ianao hiezaka hamafa,
Hiezaka hanadino ny tsiky sy ny tafa,
Ka tianao hofoanana ny embona sy hanina…
Ho vitanao izany f’izaho aleo ho fanina…

Fa raha sanatria ka kotsan-dranon’orana,
Ka ny fiainanao manjary maizim-bolana…
Dia azonao vohaina ny hidim-baravarako…
Fa hasambaranao no hany fahasambarako!

AINA NIRINA
(07/06/2014 tamin’ny 10 :15)
--------
Rohy:
1102 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 19/12/2014 03:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0763