FITIA NOKOBONINA (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA NOKOBONINA

Ho avy any aho ho anao, androany aho no hamangy,
Tsy hitondra voan-dalana na hiverina hisangy,
Fa hirongo ny fitiavako hovimbiniko an-tsikinana,
Ka nataoko tsara afina tao anaty fahanginana…

Efa homaniko ihany koa ao am-paosiko an-kavia,
Peratra ao anaty baoritra ho porofon’ny fitia,
Nofidiako tamin’ny maro omaly teny Behoririka,
Ka hatolotro avy hatrany raha vao sendra misy hirika…

Ao am-paosiko an-kavanana, misy pejy maromaro,
Nandraiketako ho anao ny vetsom-poko an-tononkalo,
Sao dia sendra misy adinoko na dia haiko tsianjery :
Vonona aho hiantsa azy manoloana anao irery…

He! izany fahavononako, efa be ny fiomanako,
Na ny foko na ny saiko, nefa ny hovitro tsy tanako,
Tena aleoko rahampitso no tsy maintsy hotononiko,
Amin’ny teny tsara rindra ilay fitia nokoboniko…

AINA NIRINA
(25 oktobra 2014 tamin’ny 21 :45)
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana - Fitiavana
1315 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 02/11/2014 04:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141