FRANKY SY MADA (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FRANKY SY MADA
(Setrin’ny tononkalon’i Barry Sirjon araka ny fangatahany)

Franky* a…
Tena tiako anie ianao ilay saka telo volo*,
Fa izaho ihany koa mba maniry hisary zoro,
Ny hitady fanampiana sady mba hitsapa vintana,
Sao dia mba mahazo ihany any amin’ny bekintana*…
Ny kely maso* aza anie, mipimaso isan’andro,
Te-hanolotra ho ahy ny fifohazan’ny masoandro*…
Ny mpiakanjo rebareba* efa vonona ihany koa
Mba hitondra ny anjarany amin’ny tena mahasoa…
Nefa ianao toa saropiaro izaho tsy avelanao hikofoka,
Izaho leon’ny fahantrana ka manomboka ho tofoka,
Sady ny hareko anie tsentsafinao avokoa,
Na volamena na safira, solitany, vatosoa…
Ianao mihamandroso hatrany sady efa mandimandina
Izaho aty afatotrao sy terenao hitandrina,
Izaho feno tako-pery tsy manomboka manolatra…
Fa isika roa anie ka tsy mbola vita soratra…
Ny tahiry sy hareko mbola misy bodoinao*
Efa mba takiako ihany : tsy homenao hatramin’izao…
Avelao aho mba ho AFAKA sy hitantana ny diako,
Fa misokatra ny masoko : izay izao no tena TIAKO…

Mada* a… Mada a…
Akimpio ny masonao, fa izay lazaiko hatao,
Aza tia rendrarendra na koa taitran-drandram-bao…
Jereo ny ho avintsika roa eny am-paravodilanitra,
Eny misy paradisa sady tena mahafinaritra…
‘Ndao fa ho entiko eny ianao izany olontiako izany…
Dia mba avelao aho mbola hitsentsitra ny mamy*,
Ny tahiry sy harena, ‘ndao iarahana mitantana*…
Izany akia ry Malala, ‘ndao isika hifampitantana…

AINA NIRINA
(09 desambra 2014 tamin’ny 22 :46)

*vinanio ny tiany ho lazaina (lazao ny hevitrao ?)
--------
Rohy:
1004 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 12/12/2014 04:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141