HIAKA TSISY FEO (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIAKA TSISY FEO

Mafy loatra anie ny sedra mianjady,
Tsy zakako intsony fa tena resy an’ady ;
Ka ny hakiviana no tsapako misoko :
Setrom-pisentoana, manempotra ny foko…

Rehefa tojo ngidy sy ady mahamay,
Izay vao mba mahatsiaro ny Anaranao ry Ray,
Nefa tena tankina ny feo eo am-bavako,
Ka any am-poko any no misandratra ny vavako…

Menatra aho ry Ray miandrandra ny habakabaka,
Fa efa ela loatra no tsy nahay nivavaka,
Tankina ny feoko ka hiaka any anatiko,
No indro fa soratako sy arantirantiko…

Miangavy Anao ry Ray, jereo ny zanakao,
Mibaboka fa diso, mifona, mitalaho,
Mpanota tsy mba mendrika, ondry izay nania,
Hiverina ao am-bala : ekeo ry Tompo tia !

Mba omeo hery hiatrehana ny dia,
Aza avela ho kivy ity mpanomponao ity,
Sarotra ny lalana sady feno tsilo,
Tantano sy tariho : Ianao ry Ray no jiro…

AINA NIRINA
(23 septambra 2014 tamin’ny 15 :12)
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
878 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 12/12/2014 04:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141