HIKIMPY AHO RY TOMPO (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIKIMPY AHO RY TOMPO

Hikimpy aho ry Tompo raha hivavaka Aminao,
Satria tsy te-hahita an’izao tontolo izao,
Fa manodoka ihany ny zava-tsoan’ny tany :
Ny hiratr’hazavany ankosotra ihany…

Aleoko mihitsy aloha hakimpiko ny masoko,
Fa tsy te-hahita ny hamaintin’ny ankasoko…
Aleoko hamirapiratra ao anatiko ao :
Ny zava an-tsefan-drahona haneho ny Herinao…

Hikimpy aho ry Tompo, aleo mihitsy hifantoka,
Fa ny maso adala tena tsy azoko antoka :
‘Ndrao dia hitsipalotra, hahatazana tsy nahy,
Ny seho mety hitondra ny fakam-panahy…

Hikimpy aho ry Tompo rehefa ilay hivavaka,
Hiresaka Aminao amin’ny fomba miavaka,
Hikimpy aho hahita sy handre ny hafatrao :
« Tompo ô ! Mitenena, hoy ity mpanomponao. »

AINA NIRINA
(21 oktobra 2014 tamin’ny 20 :50)
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
875 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 19/12/2014 03:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106