You are here: home > Vetso

IANAO - Aina Nirina

Azo vakiana?

IANAO

Variana aho mijery ny hakanton’ny endrikao,
Sy ny lefaky ny jery ‘zay omen’ny masonao,
Ary izato bikanao tsara arafitra an-tsary…
Tena miaiky mihitsy aho fa mahay ilay Nahary.

He izato volonao fa mitopa toy ny onja,
Ny tsikinao dia mambabo na iray segondra monja,
Ny feonao moa raha miantsa tena hafa fiangola…
Aza dia omena tsiny ity kalo moramora…

Izay mahita anao rehatra dia mitory ny fitia…
Izaho manao tazan-davitra : mijanona ho mpankafy…
Anjaranao ny misafidy izay hahazo ny amboara,
Aleo fotsiny aho hiaiky fa ianao dia tena tsara…

AINA NIRINA
(30 desambra 2014 tamin’ny 18 :26)

Sokajy : Fitiavana