You are here: home > Vetso

INDRISY RY IARIVO! - Aina Nirina

Azo vakiana?

INDRISY RY IARIVO !

Indrisy ry Iarivo fa potehina ianao :
Ho zaraina hanjakana no hanjary satanao…
Fako maro miavovona no sisa mba mandravaka…
Ny lalanao rehetra anefa mihafeno lavadavaka…

Ny tonelina aza hono toa ahiana ny hianjerany…
Fitohanana isan’andro efa mila hampitomany…
Tsy mandry fahalemana ny atoandro sy ny alina,
Ny jiro maty lava ka mainka mila malina…

Ny lemakao rehetra efa tena tondra-drano…
Be dia be ny mihotsaka, mitriatra koa ny trano…
Ny vahoakanao traboina mampikatona sekoly…
Ny mahantranao mitombo, ny mpitondra anao matory…

AINA NIRINA
(22 janoary 2015 tamin’ny 20 :36)