MAIKA LOATRA (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAIKA LOATRA

Eo am-pototry ny manga, eny anivon’ny natiora,
No fotoanantsika roa mba iarahana midola,
‘Zaho no tonga mialoha, f’efa tsy andriko ilay ora,
Ahitako anao indray, tena mampitelin-drora…

Iny eny ianao fa tazako ka midoboka ny foko…
Mamindra mora avy lavitra toy ny olona manjoko…
Fa manao akanjo ba sy angamba zipo fotsy…
…Kanjo hay tsy ianao akory fa vehivavy efa rafotsy…

Fa izay rehetra tazako toa ianao avokoa :
Ka ny masoko ary ve no tena efa mandroroa
Sa ny foko sy ny saiko no manova ny fijeriko…
Miandry aho, «aiza ianao?», ‘zay no sisa teny ireriko…

Efa afaka ora iray izay aho vao nahatsiaro,
Fa hay moa ilay fotoana alakamisy amin’ny valo,
Nefa hay androany mbola vao alarobia !
Izany rehefa maika loatra fa entanin’ny fitia…

AINA NIRINA
(16 novambra 2014 tamin’ny 14 :40)
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana - Fitiavana
996 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hevitra mandeha
aina.marie ( 21/11/2014 06:02)
Ka zay maika ane hono mandeha omaly e! tsy omena tsiny e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 20/11/2014 19:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118