MASOANDRO AINA (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MASOANDRO AINA

Ianao anie ka tiako
Sy tokana malalako,
Ianao no fifaliako
sady hasambarako,
Ianao no mpanafana
sady masoandroko,
Ianao no hazavana
hampihiratra ny androko…

Fa raha vao mifoha :
ianao no andrandraiko,
Hiposaka ao am-po,
hamelona ny aiko,
Fa ianao no Aina
Niriko hamelona ahy,
Mpanokatra ny saina,
mpanainga ny fanahy…

AINA NIRINA
(04 desambra 2014 tamin’ny 14 :34)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
945 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 12/12/2014 04:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101