MPITARIKA SARETY (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MPITARIKA SARETY
(tena zavanisy, ny tenin’ilay mpitarika sarety tsy niady
rima fa i Aina Nirina no nandrafitra azy)

Hoy ity mpitarika sarety avy eny Anosibe
Tamin’ny Tele :

« Nomena vola be tsy manam-paharoa
Ny dahalo niova fo,
Izahay anefa tsy avela hiasa
Tena hafahafa,
Nefa anie ‘zahay ka efa mafy ady
Sy mamelom-bady,
Ny zanakay noana sady mbola kely,
Te-hifety ny Noely,
Sa ‘zahay hangalatra sy hangaro-paosy koa,
Avy eo hiova fo ?... »

Mampieritreritra !!

AINA NIRINA
(02 desambra 2014 tamin’ny 09 :17)
--------
Rohy:
1019 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 12/12/2014 04:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0659