NY SORATRO (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY SORATRO

Eny, tena ekeko fa nisy tena niainako ny zavatra soratako,
Nisy ny hafaliako, nisy ny alaheloko, nisy koa ny ratrako,
Nefa nisy koa ny tranga nolalovan’ny hafa sy ny namako,
Na ny zava-nisy nampiainga ny fanahiko tena mba tsy tanako…

Soratako avokoa na ny eto an-tany na ny antaranoana,
Na ny nofinofy any an-danitra any na misy na koa foana,
Soratako ihany koa : ny siakan’ny ririnina, ny hiran-dohataona,
Ny hitan’ilay jamba, ny ren’ilay marenina sy ny antson’ilay moana…

Nefa misy soratro : tantara noforonina sy zavatra tsy nisy,
Ainga mba nandalo, akon’ny tsiaro sa tsiron’ny kalisy ?
Avelon’eritreritra sa fanahy nibitsika : tsy fantatro mihitsy,
Fa ny korisam-peniko nisononoka mora nanoratra mahitsy…

Dia novetsoiko tao famboraham-pitiavana nitsiry ka tsy tana,
Tambolombolom-betson’ny fo sendra tselatra sineram-pahazavana,
Dia taitra ianao ry tiako hoe : taitran-drandram-bao mitady fiovana,
Izaho ilay tianao, fa jihitry ny hatsiaka ka mila hafanana…

Tsy mino ahy ianao hoe iny soratro iny dia kalo fotsiny ihany,
Mba kalon’ny poeta sendra nivahiny tany antsahan’ny vinany,
Dia tena heverinao fa raikitra fitia nandalo tany ho any…
Nefa anie ianao no malalako ho doria : tokana eto an-tany.

AINA NIRINA
(08 oktobra 2014 tamin’ny 19 :58)
--------
Rohy:
1203 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 23/11/2014 10:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099