RAHA HITOMANY IANAO (Aina Nirina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA HITOMANY IANAO

Raha hitomany ianao, ka hilaozan-tsiky
Ny molotrao manify…
Ny masonao malefaka ho dibo-dranon’orana
Ka ho maizim-bolana
Ilay fanahinao… Hangina tsisy rotsy
Ny habaky ny nofy…
Hanjary fokofoko no hanako eo an-tsofiko
Fa tsy ny nofinofiko…
Ny fonao tia ahy hisefom-pijaliana,
Ho vontom-pahoriana…
Dia ny tsikim-piainako, hangidy koa ny tsirony,
Ho maizina ny jirony…
Izaho ‘lay efa zatra nentinao niakatra
Nitety ny habakabaka
Tamin’ny kalonao : ho gina teo ny hirako
Fa sina koa ny silako…
Ka ny foko tia no tonga dia tsaroako
Fa hifokofoko…
Raha hitomany ianao : ny fiainako tontolo
No hiova volo…
Ka iangaviako ianao, aza mitomany
‘Zany havako izany…
Avia eto an-tratrako fa horotsiako an-kira
Ka tsy ela dia hidila
Ny alahelonao, hisinda am-pitoniana
Ampofoan’ny tiana.

AINA NIRINA (10 jona 2014)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1281 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 02/11/2014 04:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129