TENA TSY AZO ATAO - Aina Nirina
Azo vakiana?
TENA TSY AZO ATAO
Tsy fantatro intsony ny doboky ny foko…
Kanefa toa tsaroako :
Somary nihafaingana sady hafahafa
Tamintsika ilay nitafa….
Hafahafa nefa tsy haiko nofantarina
Hoe inona ny marina ?
Nezahiko nahena ny gadon’ny fidobony
Sy ilay fandrobony…
Tsapako nisisika ny tsirin’ny fitia,
Nefa anie mania,
Raha hiara-dia izaho sy ianao :
Tena tsy azo atao…
Naniry aho hampangina ny hetsiky ny foko
Ka hanova loko…
Nefa vao nidify ny foko noseranina
Dia efa manimanina…
Dia nangataka aho aleo tsy mihaona intsony,
Raha ‘zay no hampitony…
Nefa ianao tsy nety fa hoe : « avia mamangy
Sy mba misangisangy…»
« ?!?... »
AINA NIRINA
(03 janoary 2015 tamin’ny 21 :17)
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 07/01/2015
Mpamangy : 951
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VAVAK'ILAY TIANISY
ANTSOIKO
DISO FANANTENA
RAVA TRANO
OROKA
TSY TIANY HONO AHO
DISO VE?
FENO ANAO NY NOFIKO
ILAY ANJELIKELIKO