TOMANY I GASIKARA - Aina Nirina
Azo vakiana?
TOMANY I GASIKARA
(50 maty, 130000 traboina hoy ny BNGRC androany 23 janoary 2015 :
ireo no vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Chezda teto Madagasikara)
Ny manjo ahy sy tena mba tsaroako ?
Manaikitra tsy tanty ny ratra ato am-poko
Fa mafaitra loatra ny ankaso eto an-tany :
Tsy tanako intsony ny jojon’ny tomany…
Ny mpanakantonay tototry ny tany…
Ny maty an-drano koa maro aok’izany…
Efa an’alinalina ny olona traboina…
Tomany i Gasikara, mila fitsaboana…
Iza no hitsabo ? Iza no hijoro ?
Fa efa marobe ny olana mandoro…
Ny vahoaka mihamahantra efa reraka ny ainy…
Aiza no alehany ? Iza no antenainy ?
Mitodika aminao ry Tompo Zanahary,
Ianao no sisa herin’ny vahoakanao mijaly,
Tahio ny taninay, Tanindrazanay malala :
Vonjeo re ry Tompo fa tomany i Gasikara !
AINA NIRINA
(19 janoary 2015 tamin’ny 21 :23)
Hevitra mandeha
louise2015 (29/01/2015 09:19:12)
Mombamomba
Mpanoratra : Aina Nirina
Nampiditra : AinaNirinaPoeta
Daty : 23/01/2015
Mpamangy : 940
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VAVAK'ILAY TIANISY
ANTSOIKO
DISO FANANTENA
RAVA TRANO
OROKA
TSY TIANY HONO AHO
DISO VE?
FENO ANAO NY NOFIKO
ILAY ANJELIKELIKO