anatin'ny bika - AINA77
Azo vakiana?
ry zazavavy tsara bika,
endrika sy fitafy,
toa vola-manjopika,
tena mahafatifaty,
tena kanto ra jerena,
tena soa soa tokoa,
fa ny tena mahonena,
indrayndray mahavaky fo,
ra ny bika lo dia kanto,
fa ny fanahy no asa,
saingy indrisy manko,
tsy mapite hikasa,
ra tsy eo ny fanahy,
zavapoana ra ny bika,
izao aloa tsy sahy,
satria le sipa be fika,
hatraminizay, de voalaza,
fa ny lehilahy no maditra,
ka dia tena sahy mivazavaza,
ka dia aleo mipitrapitra,
niova io ankehitriny,
ny viavy ndray no favy
fa tsy toa ny fahiny,
lehilahy mpamono vady
adradradradra hatrany,
fa ny lehlahy mpampirafy,
angamba mety ho diso zany,
satria ny mamelona azy mafy,
ko amaranako ny vetso,
aoka sika hieritreritra,
aoka nefa tsy hisento,
fa ny tondradrano avy am'ny erika
AINA77
Mombamomba
Mpanoratra : AINA77
Nampiditra : AINA77Daty : 25/05/2009
Mpamangy : 1649
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RahaAndyh & Rhiady
vavaka
tsiaro nandalo
misy takona
alina
indray andro ee
fitia fahiny
embona