You are here: home > Vetso

vavaka - AINA77

Azo vakiana?

Ry Jeso tomponay,
mpanjaka ny mpanjaka,
ho deraina mandrakizay,
fa anao irery ny laka,

ry rainay be famindrampo,
mamelà ny elok' ity zanakao
fa toa tsy tsaroanay tokoa,
ilay hatsaramponao,

ampio izahay ry Ray ahatsiahy,
ary ny mba salama sy tony,
fa toa lasa very fanahy,
ka anjakan'ny demony,

ry Ray ô! ampio aho mba tsy ho very,
ny tananao tolory ahy,
matoky aho fa tsy mba irery,
ho sitraninao ny fanahy,

misaotranao aho ry tompo,
fa notsimbininao mandrakariva,
atolotro ho anao re ny foko,
tsimbino mba tsy haniratsira,

ireo otako rehetra hatrizay
mangataka aho mba avelao,
tsy hamerina intsony fa fay,
ka mbola hisaorako anao,

amen!

Hevitra mandeha

endrika01 (10/07/2009 16:07:15)

Tena avy aminy fo ve?

endrika01 (10/07/2009 16:18:07)

Refa misy olona iray,mahatsapa tena hiverina ao am Ray,dia fifaliana lehibe no andraisany ireo Anjely maro be azy any an-danitra...

endrika01 (10/07/2009 16:20:27)

AINA77> Aingam-panahy ve?Sa ...fay...

endrika01 (10/07/2009 16:22:40)

AINA77> Aingam-panahy ve?Sa ...fay...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : AINA77

Nampiditra : aina77
Daty : 03/07/2009
Mpamangy : 1015
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Raha
Andyh & Rhiady
tsiaro nandalo
anatin'ny bika
misy takona
alina
indray andro ee
fitia fahiny
embona