indray andro ee (AINA77)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray andro izay
Ra ande ody ho any amiko
Dia nisy olona iray
Nambabo ny fanahiko

Teo ampiandrasan-jotra
No nahitako an’ azy
Hitako izy fa tsotra
vonona aho ny hanantona azy

raikitra ary ny arahaba
miaro tsiky kely
hitohy ary ny tanatara
fa aza misy miteniteny

toa ny mahazatra manko
samy milaza ny anarany
izy ono atao lanto
izaho nilaza we parany

ra ny fijery aloa de kanto
ny volo oloolo
ilay fijerinao ry lanto
tena mahatorotoro

ilay feonao malefaka
niantso mora ny anarako
nanasa ahy hipetrapetraka
faly aho, hita soritra am tavako,

ka natomboka ary ny korana
samy nilaza izay mba fantany
izao varina , mianaàna
mibanjina ny tavany

ra ny masony no lazaina
baribary, mahaliana
tsy de aiko ho tantaraina
izay mahita azy de varina

ny volony dia lava
tena soa ra ny tavany
hita fa miramirandava
kanto toa ny anarany

nainjitro ny tanako
nainjitro anantona azy
ny azy kosa ,natehiny am tavako
ka iny aho velompitia sahady

saingy indrisy anefa kosa
izaho nijery sady ankona
tonga tampoka ny zotra
nisalasala izy, ande sa hijanona

ny masony nijery,
nibanjina maharitra
izy nitsiky kely
hitako fa finaritra

tapakevitra ary izy fa andao
fa ny adro efa somary ariva
ny tenako tsy te hisaraka aminao
nefa ny masoandro ko efa ho dila

indro ary ho lazaiko anao
fa ny mba sisa vitanay
fa dia nomeny tsotra izao
ny laharana finday

AINA77....(mbola hitohy...)
--------
Rohy:
Sokajy : tantara
2172 5
Hevitra mandeha
endrika01 ( 17/04/2008 11:13)
tena tsara be mihintsy,hay ianao io manana aingam-panahy hoatr'izao?
bravo,bravo!
endrika01 ( 08/05/2008 10:51)
lasa ambany doly le isa nefa zah mba manome isa 5 ny tononkalo ny namana rehetra!snif.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AINA77
Nampiditra : AINA77
Daty : 29/02/2008 12:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097