fitia fahiny (AINA77)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eh izany fahiny
Lay endrikao tena kanto
Indrisy anefa ankehitriny
Niova izany tato ho ato

Fony isika vao nifankalala
Tsy mba nifankafoy
Nifampiantso hoe malala
Na maraina na hatory

Angamba hoy aho adino izany
Adino, eny tsy tsaroany
Fa angamba any ho any
Misy mambabo ny fony

Tsy misy azo omena tsiny
Amin’izay sitrapony
Na izaho na izy
Iezaka mba ho samy tony

Ka hoy aho ankehitriny
Mandefa lavitra ny fisainana
Mo zao ve no mangidy
Ka tsy maintsy iainana

Any indray andro
Mbola ho avy ny maraina
Hibalika ny masoandro
Ka ny voary ho velon’aina

Ilay foko nanantena
Ny ho an’ilanao hatrany
Saingy indrisy nienaena
Sanatria izay hitomany

Na mbola ao aza lay fitia
Nomeko anao hatraminizay
Dia hoy aho mantsy an -dry ,
Tsia , ampy zay

Raha sendra olana ianareo
Ka mitovy amin’izany
Tandremo, aza mety ho leo
Fa misy foana any ho a ny

AINA77
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po
2238 6
Hevitra mandeha
zoky ( 17/04/2008 10:51)
Marina izany. Mankasitra e, tsara lay vetso, tohizo hatrany.
endrika01 ( 17/04/2008 11:15)
ndryyyy!ny vetsonao mangina!
tena lafatra ,zay ndray no saika handrotsa-dranomaso hi hi hi !
endrika01 ( 08/05/2008 10:48)
fa maninona ho'aho no lasa 1 sisa le isa?nefa zah mba nanomé 5!indrisy!
toa tsy 1 akory aza fa toa 0,7 fotsiny?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AINA77
Nampiditra : AINA77
Daty : 28/02/2008 08:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096