tsiaro nandalo (AINA77)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
e izany ianao ry tany,
misetrasetra, mahavariana,
zay lasanao rehetra any,
tsy niverina,tà´ sondriana,

reo namana tsy foy,
ray reny,zoky,zandry,
zay lasa any de afoy,
tsy hita tsony mampamangy,

ilay efitrano fatoriana,
nisolo vato mapanembona,
mampitondra fahoriana,
ireo fianakavina sisa velona,

ra toa ka misy feo heno,
ka renao manantona manako,
izany re no atao hoe havelo,
tsy tena izy , fa dia ako,

ho fatsiarovan' azy ireny,
no namoronako ity vetso,
na dia tsy miteny,
mbola tadidy fona hatreto
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1725 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AINA77
Nampiditra : AINA77
Daty : 25/05/2009 12:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123