misy takona - AINA77
Azo vakiana?
misy maso mijery
fa toa tsy tazanao
miy fo mitempo irery
izay mitempo ho anao
misy fitia mangina
ao anatiko ao
maniry anao ho olontina,
saingy indrisy tsy fantatrao,
indrisy takona aho kanefa,
izaho mahitanao hatrany,
angamba mety ho diso fiantefa,
ilay ftiavako tena mamy,
tsy ataoko mahakivy
ny masonao tsy mahita ahy,
fa folo foana no arinan'ny sivy,
andrasako foana mandrapahy,
ilay fitia mangina
ao anatiko ao
atolotro ho anao ry tiana,
na dia mbola tsy tsapanao
mba raovina ry Malala,
vao ho tazanao ity foko
ity foko adaladala
adala feno toloko,
niezaka aho ny hitory,
ilay fitiavako anao,
saingy indrisy mampahory,
raha ilay fihetsikao,
misy sakana avo be,
manoloana ahy sy ianao,
tsy afaky ny kely fe
ka tsy miy azoko atao
sisa azoko atao,
dia ny maka sisiny ihany,
sao lay mba hitanao,
ka hisinda ny tomany,
Hevitra mandeha
endrika01 (02/07/2009 05:26:50)
Ntsoooo,efa itany hono ve io vetsonao io?
endrika01 (02/07/2009 05:27:12)
endrika01 (02/07/2009 05:28:31)
Mombamomba
Mpanoratra : AINA77
Nampiditra : AINA77Daty : 13/10/2008
Mpamangy : 1576
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
RahaAndyh & Rhiady
vavaka
tsiaro nandalo
anatin'ny bika
alina
indray andro ee
fitia fahiny
embona