Aiza ianao (Aino)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy eo mantsy ianao, ka sendra tsiaro izay lasa
Raha misy olona notiaviko indrindra
teto an-tany
dia ianao no voalohan'izany.
ilay fitiavako anao hatramin'izay
tsy maty fa dia ho velona ho mandrakizay
satsia mantsy ianao ilay nirina.
Ianao no nampitomany ahy
ianao, ianao ilay nanjevo ny foko
ianao ilay nampijaly ilay fitia.
raha sendra lasa tany
izay tsy taza-maso ankory.
nande aza aho, ande hitady anao
nitotototo tetsy sy teroa
Mba ande hitady any amin'izay ahitako anao
nanontany any anona sy ranona
fa tsy nisy valin-teny vanona.
Farany aho nangina,
niezaka aho ny anadino anao
niezaka aho ny anary ireo lasa,
ilay indray hariva, teo anjaridaina
ilay masoko izay bongo ny tomany,
no fenonao tsiky izany.
hadinoko aza ilay tomany, very hireo alahelo
satsia tonga ianao, nampangina sy nampitony azy ireo.
tamin'iny andro iny, no niantrampy taminao ny foko
tsy nahalala ankory, hoe iny andro iny ihany anie
no mba hiaonan-tsika, tsy nihevitra ny ampitso ankory
fa dia faly mahita,mitia ary miravo fo fa tojo ny soa
tsy mba sahiko ankory anefa
ny nanambara anao izany rehetra izany
fa dia nokobonikio ho ahy samy hirery.
--------
Rohy:
1477 2
Mpakafy: mihaja7 - ail
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aino
Nampiditra : Aino
Daty : 03/09/2007 14:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141