i neny (Aino)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
vehivavy fiangotiana
mamy sady fitosiana
tsotra,manam-po malemy,
io no antsoina hoe: i Neny.

Fony izaho mena vava,
Tsy nahay niteny dada,
Dia i neny no nitahy,
Nampisava ny ahiahy.

Fony tsy nahay nisotro
Dia i neny no nitrotro
Nampinono sy nibaby
Izany no isaorako azy.

Teliko sy tena nmamy
Ny soa rehetra sesilany
Taminao ry neny tiana
Loharano niaviana.

Zao no teniko aminao
Ory neny tsy andao
Dia misaotra anao tokoa
Nanabe sy nanasoa.

Tsy mba izay volamena
No hatolotra, homena
Fa fitiavana madio
No atolotro anio.

Tsy ho hadinoina
Ny asa vitanao, ry neny.
Tsy mba haiko hovonoina
Ato am-poko izy ireny.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1987 2
Mpakafy: ambotsy - ail
Hevitra mandeha
fiaritiana ( 23/05/2006 17:38)
tsara be na dé fohy aza!!tohizo e!
zemjos ( 09/01/2010 07:38)
Mety tsara fa manantena ny fanohizana indray satria Kanto ary tena aingam-panahy vao nisandratra ka mankasitraka anao .
zakilinina ( 10/06/2010 17:31)
Tsara saingy tandremo ny tsipelina
zemjos ( 14/12/2010 06:48)
Ie tena marina izany, ny tsipelina no ilàna fitandremana kely.
Fa efa tsy ratsy ny aingam-panahy.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aino
Nampiditra : Aino
Daty : 22/05/2006 12:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141