NAHOANA? - Aino
NAHOANA?
Nahoana ny velona no miavonavona,
kanefa ny ampitso dia lasa ho zavona;
Vola sy harena ho lo no ananana
Ka hanamavomavoina ny fihavanana?
Nahoana ny maro no mitonatonana,
Fahaizana kely dia ifokafokana,
Raha vao mandingana irony tokonana
Dia efa mihevitra ho eny am-bovonana?
Nahoana raha sendra ingain'ny vintana,
No mihevi-tena ho eny amin'ny kintana;
Kanefa dia vovoka no niandohana,
Ary vovoka koa no mbola hiafarana!!
Sokajy :
Fiainana
Hevitra mandeha
fiaritiana (15/10/2006 13:21:23)
ouéééééééééhh!milay be ary zava misy mits io!ndry ve no nanoratra an io ry Aino??
fiderana (17/10/2006 08:58:43)
Aino (17/10/2006 10:01:10)
tsy izaho hirery no namorona anio ko!! matetika aho tsy mahay.
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Aino
Nampiditra : AinoDaty : 14/10/2006
Mpamangy : 959
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ny fitiavako anaotiako nefa
efa tsy anao hintsony
Misaotra
tsy misy toa anao..
Nakaiza lahy
Tsiaro
Mandrakizay
maminko ianao
Ventsoko